- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Mpivady tsy niteraka, bevohokan-drangahy ilay zaza natsangana

Toliara : Mpivady tsy niteraka, bevohokan-drangahy ilay zaza natsangana

Mafy ny te-hanan-janaka. Tsy niteraka ireto mpivady monina ao Toliara ka ny zaza natsangan’izy ireo notezaina toy ny zanaka nandritra ny 10 taona tao an-trano ihany no lasa vadikelin-drangahy, satria ramatoa vadiny marary tsy afa-mihetsika eo am-pandriana vokatry ny aretina fahatapahan’ny lalan-dra. Kamboty ity tovovavy ity ka nitsetra azy ireto mpivady. Noraisina toy ny zanaka nateraka, nampianarina, nokarakaraina, nefa taty afara rehefa lehibe dia novadian-drangahy. Bevohoka miandry kibo ity tovovavy ity amin’izao, ka tsy afaka nanohy fianarana intsony. Fanta-dramatoa ny fiarahan’izy roa ka tsy nanisy olana ity farany na  sarotiny ihany aza tany aloha, satria hono tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka!

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser