- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Mpivarotena niteraka kambana telo, teny amoron-dalana

Toliara : Mpivarotena niteraka kambana telo, teny amoron-dalana

Trangam-piarahamonina hafakely tsy dia fahita firy no haroso ho anao mpamaky androany. Noho ny harerahana tsy nisakafo sy adin-tsaina tafahoatra. Tovovavy iray 22 taona no niteraka kambana telo mirahavavy, tsy tonga volana, teny an-dalana, afak’omaly nisandratr’andro, tany Toliara. Nentin’ireo olona nanatri-maso haingana namonjy tobim-pahasalamana izy. Raha ny fantatra taorian’ny fanamarinam-baovao, dia marary ny roa amin’ireto zaza ka mila fitsaboana manokana. Mila vonjy amin’ny mpiara-monina mpiray tanàna sy malala-tànana moa ity renim-pianakaviana tanora ity; izay milaza fa tsy arany intsony ny fitsaboana sy famelomana ireo zanany. Ny nanaitra, dia ny nilazan’ity vehivavy mbola hita fa reraka mafy ity, raha nanontaniana izy, fa tsy fantany ny rain-janany, satria mpampanofa tena mpamonjy ireny toerana fandraisam-bahiny sy toeram-pisotroana ary filanonana ireny no asany  talohan’ny nitondrany vohoka, ary mbola nanohy izany asa izany ity tovovavy mpivarotena ity hatramin’ny fahenim-bolan’ny kibony.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici