Rehefa nialan’ny havany nenina mafy tamin’ny fitsaboana, dia namoy ny ainy omaly maraina tamin’ny 5 ora sy sasany ilay raim-pianakaviana 40 taona mpivarotra saribao, izay naratra mafy vaky loha sy tapa-tongotra nofaohin’ny fiara tsy mataho-dalana miloko mena, nirimorimo mafy voalaza fa nentina vazaha, ny alarobia antoandro teo, tokony ho tamin’ny 11 ora, tao Befoly, Distrikan’i Toliara II, amin’ny làlam-pirenena fahafito iny. Hamonjy fodiana ity lehilahy nitondra bisikileta ity no tra-doza teny an-dàlana. Tsy nijanona kosa ilay 4×4 nitera-doza, fa nandeha nirimorimo hatrany nanohy ny làlany. Tovolahy roa niandry omby tsy lavitra ny toerana nisehoan’ny loza no nahita ny zava-misy, ka niezaka namonjy haingana an’ity rangahy nihosin-drà, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa