Ramatoa iray handeha hody nandeha bajaj niaraka tamin’ny zanany vao telo taona monja no voatafika, ka very vola efatra hetsy ariary niampy rojo volamena teny am-bozonany, ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany tany ho any, tao Amborongony Toliara. Tara fodiana hariva avy nivarotra izy mianaka ireto no nandray « taxi bajaj ». Rehefa tamin’ny toerana maizina sy mangina anefa, dia nilaza ho lany solika ilay mpamily kodiaran- telo, ka natosika mora ilay fiara nentiny no sady niantso olona tamin’ny findainy. Telo na efatra minitra taorian’izay, hoy ny niharam-boina, dia indro roalahy mody mamo nibeda an’ilay ramatoa sady naka an-keriny ny paoketra nisy ny vola. Tsy afaka niantso vonjy ity vehivavy voaroba satria voatapim-bava, ary rehefa niezaka nanohitra izy dia nodarohan’ireo nandroba azy tamin’ny vatan-kazo ka safotra. Mpivady hamonjy fodiana sendra nandalo tsy lavitra ny toerana nisehoan’ny fanafihana no taitra sy gaga raha naheno zazakely mitomany tanaty haizina amoron-dàlana. Rehefa natonina dia vao mainka ankona izy mivady raha nahita an’ity ramatoa torana mitsirara amin’ny tany. Rehefa nahatsiaro saina ity renim-pianakaviana azon-tsampona ity, dia nitantara ny zava-nanjo azy. Araka ny loharanom-baovao azo farany dia mbola karohina fatratra amin’izao ilay mpamily bajaj sy ny namany roa lahy nandroba mpivarotra volafotsy.
Eric Manitrisa