Lehilahy iray mpividy safira avy any Sakaraha naka mpivarotena tao Toliara, no very vola efatra tapitrisa ariary no sady naratra voadaroka, ny alin’ny zoma hifoha ny asabotsy teo. Raha ny vaovao voaray, dia niara-nanala azy tamin’ilay makorely sy olona telo hafa tany amin’ny « boite de nuit » ny tenany. Rehefa niakatra ny toaka nosotroina, tokony ho tany amin’ny telo ora maraina, dia nandeha namonjy « chambre » tamina hotely iray izy sy ilay mpampanofa tena, fa ireo olona telo niara-nirevy taminy kosa mbola nijanona tao amin’ilay toeram-pandihizana. Gaga ity mpibizina vato safira ity, raha nahita ny tarehiny nivindana voadaroka sy nisy faritra vitsivitsy mangana tamin’ny tenany toa nokapohina tamin’ny hazo, nony naraina ny andro, tamin’ny 11 ora, rehefa nifoha, ary nanjavona niaraka tamin’ny volabe tao anaty sakaosy saika hividianana vato ilay mpivarotena niara-natory taminy. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia tsy nisy tsaroan’ny niharam-boina ny zava-nitranga taminy, noho ny hamamoana.
Eric Man
Toliara : Mpividy safira naka mpivarotena, voaroba vola Ar 4 tapitrisa sy voadaroka
Articles qui pourraient vous intéresser