Mpandraharaha iray avy any Manombo Ilakaka sendra nivahiny tao Toliara no very vola 1,6 tapitrisa ariary, ny alin’ny zoma hifoha ny asabotsy teo. Raha ny vaovao voaray dia niaraka nanala azy tamin’ny mpivarotena sy nisotrosotro tamina “bar” iray teny Amoron-driaka ity mpibizina safira ity. Rehefa niakatra ny herin’ny alikaola dia namonjy ny trano fandraisam-bahiny nivantanany niaraka natory tamin’ ilay mpampanofa fahafinaretana izy. Rehefa vita ny natao dia renoky ny torimaso tanteraka ity mpividy vato sarobidy ity, ka tsy henony akory izay nivoahan’ilay tovovavy tao amin’ilay efitrano, nitondra ny volany mitentina 1,6 tapitrisa ariary sy ny finday roa tena avo lenta. Maraina ny andro vao nahatsiaro tena sady taitra, fa tsy teo intsony ilay tovovavy ary ny kitapo misy ny vola sy ny finday tsy tazana teo amin’ny toerany intsony.
Eric Manitrisa