- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Na maty na velona Remenabila, mitohy ny ady amin’ny asan-dahalo

Toliara : Na maty na velona Remenabila, mitohy ny ady amin’ny asan-dahalo

Lanonana roa sosona no notanterahina omaly tany Toliara, tao amin’ny fari-piadidiam-paritry ny zandarimaria Tsianaloka,  izay natrehan’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena mivady, ny Jly Ravalomanana Richard. Voalohany : fanaovam-beloma ara-miaramila zandary manamboninahitra lefitra fito mendrika nandeha nisotro ronono, ny taona 2013. Notolorana mariboninahitra izy fito nahavita be ireto, ary tamin’izany no nilazan’ny komandin’ny CIRGN Toliara, ny Jly Iama Radafy, fa « aoka ho modely hatrany ianareo eny anivon’ny fiaraha-monina ho voninahitry ny foloalindahy ».

Zandary 25 maty. « Mitohy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanaraham-penitra ny fitsipi-pifehezana, ka tsy handefitra amin’ny zandary manao hadalana izahay », hoy ny Jly Richard Ravalomanana hentitra, tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety. « Na maty na velona Remenabila, mitohy ny ady amin’ny asan-dahalo, ary tsy maintsy miady isika amin’ny fitaovana eo ampelatanana ». Notsiahiviny teto fa zandary 25 no matin’ny dahalo tany Atsimo, ny taona 2013, raha zato mahery ny malaso matin’ny fokonolona.

« Bois de rose ». Nasian’ny Jly Richard Ravalomanana tsindrim-peo ihany koa ny mahakasika ny « bois de rose », izay nilazany fa sady mahasosotra  no manahirana. « Na izany aza, henjehinay hatramin’ny farany ireo mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena mba tsy hisian’ny tsy maty manota eto amintsika ka hanjakan’ny tany tan-dalàna ».

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser