Manjaka ny gaboraraka ao Toliara ao. Omaly naraina, tao amin’ny bazary Scma Betania, dia mpivaronkena iray no nahitàna henakisoa marary voan’ny voavary namidy an-tsena. Raha araka ny vaovao voaray dia milanja manodidina 35 kg ireo hena sisa tsy lafo, izay nisy nahatsikaritra ka niaka-peo ny mpiantsena amin’ity fanapoizinana faobe ny fahasalamam-bahoaka ity. Noraofin’ilay mpivarotra avy hatrany ny entany ary lasa izy nandeha rehefa nanomboka niaka-pofona ny olona. Raha ny tombana, hoy ireo nanatri-maso, dia efa betsaka ny olona niantsena vao maraina no nividy ity henakisoa marary ity.
Mpanjifa maro no mitaraina, nefa . . . Raha ny fantatra, dia maro ny fitarainan’ny olom-pirenena mpanjifa, kanefa vao mainka mirongatra mameno tsena ny elakelan-trano entina mandehandeha ireo hena tsy ara-pahasalamana. Maso mahita ao Toliara sy ny angom-baovao samihafa, fa maro amin’ireo hena amidy mora eny an-tsisin-dalana sy eny an-tsena no simba, tsy vita fitiliana, sns, ka tokony horaofin’ny tompon’andraikitra ary hampiharina avy hatrany sazy sy lalàna ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Zava-misy ankehitriny manko, dia toa tsy miraharaha ny fahasalamany intsony ny ankamaroan’ny olona tototry ny krizim-piainana, fa rehefa mora takatry ny fahefa-mividy dia any am-bilany.
Eric Manitrisa