- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Namidin’izy mivady ny trano nofainy dia lasa nandositra izy ireo

Toliara : Namidin’izy mivady ny trano nofainy dia lasa nandositra izy ireo

Tsy kely lalana ary tsy misy tandroka tokoa ny olon-dratsy. Rangahibe iray mananika ny 65 taona miaraka amin’ny vadiny no karohina fatratra ankehitriny. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisoloky vola vidina trano mitentina 15 tapitrisa ariary izy mivady nitsoaka ireto. Namidin’ ireto mpivady tamina olona iray ny trano nofain’ izy efa am-polo taonany mahery. Nilaza tamin’ilay ramatoa nividy ny trano izy mivady ireto fa hifindra lasy any Fianarantsoa tanindrazana satria efa antitra ka natao varo-boba maika ilay trano vato misy efitra telo. Resy lahatra sy roboka ilay ramatoa nahita an’ ireto mpivady lehibe. Vita ny 3 jiona teo ny fifanarahana ara-barotra ary naloa tolo-botsotra ny vola rehetra. Gaga anefa ny tena tompon-trano izay mipetraka aty Antananarivo raha tonga tao Toliara, ny alarobia teo, handeha hamonjy fahoriana any Ankililoaka ny ampitson’io, nahita olon-kafa manavao sy manamboatra ary manitatra ny tranony. Kentsona tsy nahateny ity raim-pianakaviana ity raha nandre fa efa lafon’ izy mivady mpanofa izay natokisany ary nentiny toy ny ray aman-dreniny ny trano.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici