- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Naverin’ny fitsarana tamin’ny toeram-ponaneny, ireo olona noroahina

Toliara : Naverin’ny fitsarana tamin’ny toeram-ponaneny, ireo olona noroahina

Omaly antoandro, no naverin’ny fitsarana tamin’ny toeram-ponenany ireo mponina mahery ny 600 ao Mahavatse II Toliara, raha noroahina vadintany vonjimaika an-keriny tamin’ny taniny mirefy 32a 38ca, Villa Paponako, TF n° 43333, ny zoma lasa teo. Tamin’io andro io ihany dia tsy faly ireo vahoaka tsy manan-kialofana ka nidina an-dalambe niaraka tamin’ny sora-baventy. Raha ny loharanom-baovao, dia taratasy hosoka no nentin’ilay vadintany piraty (tsy manana fahefana hiasa ao Toliara) nandroaka ny mponina tamin’ny tranony, sady natsipitsipy teny an-tokontany ny entana no namaky tranon’olona tsy eo tompo (miendrika fandrobana).
Fihoaram-pefy. Fandikan-dalàna sy fihoaram-pefy noho ny fitiavam-bola no nataon-d R.J.A, hoy ny mpahay lalàna iray. « Tokony any amin’ny distrikan’i Toliara II no hiasa ity vadintany vonjimaika ity, fa tsy mitsabaka amin’ny asan’ny Huissier de justice eto Toliara, satria ny lalàna 2005-034, nivoaka ny taona 2006 no mamaritra izany », hoy ny Me Sissi, iray amin’ireo vadintany telo ara-dalàna. Omaly io ihany dia nanao ny tombana rehetra amin’ireo entana very sy fananana simba ireo vadintany ara-dalàna nalefan’ny fitsarana.
Mahery ny vola. Tato anatin’ny telo volana. Mirongatra ny fisolokiana tanin’olona ao Toliara. Tany manan-tompo ao Tanambao-Morafeno mirefy 10a 45ca, « Villa Gabrielle » TN° 112-CJ, misoratra amin’ Atoa Ranaivo Jean de Dieu (tompon’ny Garage D.D) monina teo 20 taona mahery, no namidin’olon-kafa mpisoloky mitonona ho tompon’ny tany tamina mpandraharaha sinoa. Ny tompon’ny tany manana taratasy ara-dalàna indray no voaroaka tamin’ny taniny efa 20 taona mahery nonina teo.
Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser