- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Nidangana ny vidin-jiron’ny Jirama, velon-taraina mafy ireo mpanjifa

Toliara : Nidangana ny vidin-jiron’ny Jirama, velon-taraina mafy ireo mpanjifa

Maro amin’ireo tokantrano mpanjifan’ny Jirama eto Toliara sy ny manodidina no voafitaka, ka velon-taraina sady tezitra noho ny fidangan’ny vidin-jiro tampoka misy amin’izao, ary misy tafakatra hatrany amin’ny 80% ho an’ny mpanjifa mampiasa ny « tarif 16 », kanefa ny herinaratra tapaka lava. « Raha 50 000 Ariary isam-bolana eo ho eo ny vidin-jironay, dia lasa 90 000 Ariary mihoatra amin’izao, satria fisondrotana 10 ka hatramin’ny 15% no noresahina. Fitaka bevava anefa no misy, fa tsy arakaraka izay ity fisondrotana tsy nampoizina velively ity», hoy ity renim-pianakaviavana iray. Manoloana ny fidangan’ny vidin-jiro, dia saika tonga manao fanamarihana sy mangata-panazavana eny amin’ny masoivohon’ny Jirama ny ankamaroan’ ny mpanjifa mimenomenona sy mampiaka-peo, kanefa tsy mahazo valin-teny maharesy lahatra mahakasika ny fidangan’ny vidin-jiro ny rehetra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici