Ambenan’ny mpitandro filaminana mafy amin’izao, esorina ireo mibodo ny tanin’ny oniversite.
Tao anatin’ny iray volana dia fanafihana mitam-basy efatra no nitranga tao amin’ny oniversite Maninday Toliara. Ny roa tamin’ireo nahafatesan’olona roa (mpianatra sy zazalahy 17 taona). Nanomboka afak’omaly hariva dia mpitandro filaminana miisa enina no miambina sy manao fisafoana amin’ireo faritra mena dimy fidiran’ny jiolahy, ho fiarovana ny ain’ireo mpianatra sy mpampianatra monina eny sy ny fananany. « Hitety an’ireo fokontany manodidina izahay tompon’andraikitra hampahafantatra ny mponina fa tsy azo ivezivezena sy hidiran’ny olon-kafa intsony ny ao amin’ny faritry ny oniversite manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny valo ora alina. Handraisana fepetra ihany koa ireo mpianatra tsy tan-dalàna », hoy ny filohan’ny oniversite Toliara, Pr Dina Alphonse.
Nahitsy fiteny Ingahy Filoha omaly antoandro, nitafa tamin’ny mpanao gazety, fa « hoesorina amin’ny toerana tsy ho ela ireo olona manorina trano sy mipetraka mibodo ny tanin’ny oniversite mirefy 350ha ». Tao anatin’ny dimy taona nitantanany ity departemanta ity dia betsaka, hoy izy, ireo fotodrafitrasa sy lalam-piofanana vaovao naorina, toy ny « faculté de médicine » sy « IST ». Teo ihany koa ny fampitaovana teknolojia vaovao manaraka ny toetry ny andro an’ireo sampam-pianarana maro samihafa, mba ho tombontsoan’ny mpianatra manodidina ny 7 000 mandrato fianarana ao.
Eric Man