- Publicité -
mercredi, novembre 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Nodoran-drangahy ny trano fa nisarahan’ny vadiny izy

Toliara : Nodoran-drangahy ny trano fa nisarahan’ny vadiny izy

Noho ny hatezerana tsy nahazaka nisaraham-bady,  rangahy iray 47 taona no saika handoro trano miisa 10 tafo tao Toliara, ny alatsinainy antoandro teo, raha avy nandoro ny tranony izy. Tezitra ny olona teo an-tanàna mpifanolo-bodirindrina taminy ka nidaroka azy. Saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibe noho ny vono nahazo azy, raha tsy nalaky tonga sy niditra an-tsehatra haingana nandamina ny raharaha ny teo anivon’ny fokontany nisorohana ny fitsaram-bahoaka. Raha hiverenana ny tantara dia nisintaka an’ity raim-pianakaviana ity vao naraina niaraka tamin’ny entan-keliny ramatoa vadiny. Niboboka toaka rangahy avy eo, ary nila ady sy vaniny tamin’izay sendra azy, sy olona vitsivitsy teo an-tanànany. Nodorany ny tranony avy eo. Vao mainka nampiakatra ny hatezerany ireo monina manodidina azy namono ny afo. Tsy nisalasala ity lehilahy nihetraketraka ity naka afo ary nanipy izany tamin’ny tranon’olona.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici