Tsy namelàna raha tsy hita ny tranon’ilay lehilahy namono baolina nandritry ny fifananinana izay natao tamin’ny fokontany Anketraky-Toliara, ny alahady teo. Rehefa izany dia nidirana an-keriny tao izy ary nofiraina antsy tamin’ny lohany. Tsy nionona teo ireo olona fa mbola nodorana ihany koa ny trano fonenany. Izany no nitranga afak’omaly tany Toliara taorian’ny lalao ara-panatanjahantena baolina kitra. Nifamaly ny olona teo anivon’ny ekipa resy ary tapaka hatramin’ny hoe hovonoina ilay lehilahy nitondra ny fandresena, izany hoe ilay namono baolina. Dia notontosain’ireo tokoa izany ary tamin’ny fandorana trano dia niitatra ny afo ary niantefa tamin’ny tranon’olona teo amin’ny manodidina. Vokatr’izany dia ilay tanàna mihitsy no may. Tezitra mafy ny mponina ao amin’ilay fokontany voalaza ary miantso ny manam-pahefana mba hijery akaiky ny raharaha. Ahiana hiteraka ady eo amin’ny samy mpiara-belona tokoa ny raharaha toa izao raha tsy miditra an-tsehatra manelanelana faran’izay haingana ny tompon’andraiki-panjakana.
D.R