- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Noloaran’ny olon-dratsy voalaza fa mpangala-taova ny masony roa

Toliara : Noloaran’ny olon-dratsy voalaza fa mpangala-taova ny masony roa

Raha honohono noheverina ho tsaho ninian’ny sasany naely foana hatramin’izay, fa misy mpanao trafikan-taovan’olona mangalatra voamaso amina Distrika maromaro any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, dia voaporofo tokoa ny fisian’ izany afak’omaly. Ankizilahy iray 14 taona izay monina ao amin’ny fokontany Belavenoka, any amin’ny kaominina ambanivohitra Milenaka, distrikan’i Toliara II no noloaran’olon-tsy fantatra ny masony roa, ny tolakandron’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny roa ora. Araka ny tati-baovao voaray, dia niandry tanimboly teny an-tsaha ity tovolahy ity no nisy naka an-keriny. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia efa tafala ny masony havia, ary saika haka ny mason’ ity tovolahy kely ity havanana ny olon-dratsy no nisy nahita, ka lasa nirifatra nandositra nitsoaka tany anaty ala, ary mbola karohin’ny Dinabe fatratra hatramin’izao fotoana nanoratana ny lahatsoratra izao. Raha nahita ny asa ratsy ity renim-pianakaviana iray dia niantso vonjy (hazolava), ka io no nanaitra ny fokonolona tamin’ireo tanàna manodidina. Rehefa nojerena ny zava-misy dia ilay zazalahy efa mihoson-drà torana no novantanin’ny olona. Ho famonjena ny ain’ny niharan-doza, dia nentina haingana notsaboina ao amin’ny hopitaliben’ i Toliara izy. Rehefa nahatsiaro tena kely ity tovolahy ity, dia niezaka nitantara ny zava-nihatra taminy. Araka ny nambaran’ny mpitsabo mandray an-tanàna ny fitsaboana azy, dia mety ho simba tanteraka ny masony iray tsy azon’ireo mpangala-taova.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici