Maty tsy tsa-drano nandritra ny fanafihan-jiolahy ny zanaky ny tompon-trano. Omaly maraina tokony ho tamin’ny iray ora no tonga nanao ny asaratsiny ny andian-jiolahy, izay tsy nisalasala ny nampiasa ny fitaovam-piadiany rehefa mba niezaka nanohitra azy ireo ny tao an-trano. Andaboly no anaran’ilay kartie nisehoan’ny fanafihana. “Namaly ny zanaky ny tompon-trano, niezaka ny niaro ny fianakaviany izy sady niady tamin’ireo olon-dratsy mba tsy hahatafidiran’ireo tao an-trano. Mainka koa anefa izany toa nandrisika ireo mpanafika hampiasa ny basiny. Dia notifiriny tokoa ka maty tsy tsa-drano”, raha araka ny fanazavana azo avy any an-toerana. Nahoraka tao an-tananan’i Toliara ity vaovao ratsy vao maraina ity, indrindra koa fa vao nanomboka ny herinandro. Vola mitentina roa tapitrisa ariary no lasan’ny mpanafika. Nosokafan’ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha ary andrandrain’ny mpiara-belona tamin’ireo niharam-boina noho ny hetraketraky ny olon-dratsy ny hahatratrarana ireo nahavanon-doza.
D.R