- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Novonoina, notetehina ary nomena nohanin’ny alika ny fatiny

Toliara : Novonoina, notetehina ary nomena nohanin’ny alika ny fatiny

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Rehefa nokarohina nandritra ny 46 andro ireo dahalo namono nahafaty an’i Mahita tamin’ny fomba feno habibiana, ny antoandron’ny 22 novambra 2014, dia voasambotry ny polisy tany amin’ny fokontany Miringa, kaominina ambanivohitry Beheloka, 80 km atsimon’i Toliara, ny dimy tamin’ireo jiolahy taorian’ny nahitana ny ampahan’ny razana voatetika sisa tsy lanin’ny alika tany anaty ala, ny 18 janoary 2015. Nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana ny havan’ny maty. Nanomboka teo ny fikarohana an’ireo olon-dratsy, ary nahitam-bokany izany ny faran’ny volana febroary teo. Ny iray tamin’ireo mpamono olona no tratra. Ity farany avy eo no nanondro ny namany ary notsimponinin’ny polisy tsirairay avy izy ireo nandritra ny 15 andro.

Hatolotra fitsarana anio. Ny asabotsy tolakandro teo, tamin’ny 2 ora no tonga tao Toliara ireo nahavanon-doza natao famotorana lalina, ary hatolotra ny fampanoavana androany. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Marinjaka Vavintafika Vololonandro (chef PJ) mandray an-tanana ny raharaha, nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Toliara omaly antoandro, dia nangalarin’ireo dahalo ny osin’i Mahita iray, avy eo novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Nokapaina tamin’ny famaky teo amin’ny lohany, avy eo notombohina lefona, ka rehefa maty dia notetehina tamin’ny sambatra, ary nomena hohanin’ny alika ny fatin’ity raim-pianakaviana 37 taona, manan-janaka dimy ity.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser