- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ny tompon-trano any am-piangonana, ny trano nirehitra

Toliara : Ny tompon-trano any am-piangonana, ny trano nirehitra

Nitrangan’ny hain-trano indray tany Toliara, omaly alahady. Mbola lasa nivavaka tany am-piangonana ny tompon-trano tamin’io fotoana io no nirehitra ny tranony, ary vetivety dia ravan’ny afo ity trano vita amin’ny hazo sy tafo bozaka ity. Kila hotohoto tsy nisy avotra avokoa ny entana rehetra tao an-trano, na dia niezaka sy fanomezan-tanana tamin’ny famonoana ny afo aza ireo teo amin’ny manodidina. Tsy fantatra kosa ny antony nampirehitra an’ity trano ity, fa raha ny tombatombana dia ankevitry mbola nisy afo tsy maty tao an-trano ka nirehitra, hoy ny vaovao. Amin’ izao fotoana mafana migaingaina sady be rivotra “Tioke Atimo” izao no mateti-pitranga ny hain-trano ao Toliara, ka ilana fitandremana tokoa.
Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici