Tsy mety voavaha ny olana ifandroritan’ ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversite Maninday Toliara sy ireo andian’olona mibodo ny tany. Voatery nampiato ny fampianarana nanomboka ny alatsinainy teo ireo mpampianatra noho ny tahotra ny ain’izy ireo, satria misy amin’ireo andian’olona mibodo ny tanin’ireto mpampianatra no mirongo fitaovam-piadiana mandrahona ho faty an’ireto mpanabe, ka mampitaraina an’ireto farany mba handraisan’ny tompon’andraikitra amin’izay fepetra henjana hisian’ny fitonian-tsaina hampirindra ny fampianarana ao Maninday. “ Manjaka loatra ny tsy fandriampahalemana ateraky ny fisian’ny olon-tsotra mibodo ny tanin’ny Oniversite. Misy mpampianatra namanay iray iharan’ny fandrahonana ho faty, ka nandray fanapahan-kevitra ny tsy hampianatra mihitsy aloha izahay mandrapaha “, hoy ny filohan’ny mpampianatra mpikaroka tamin’ny mpanao gazety.
Eric Manitrisa