Polisy iray AP2 (tsipika telo) miasa ao Toliara, manan-janaka roa, monina ao Tsimenatse I-Ouest, namonjy fahoriana (rahalahiny) tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Soalary-Sud, 28 km atsimon’ny tanànan’i Toliara, no maty an-dranomasina, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy tamin’ny 2 ora naraina, ary mbola tsy hita faty hatramin’izao, raha ny fampitam-baovao farany azonay. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo niaraka lakana taminy dia nisamboaravoara be ny ranomasina tamin’io fotoana io, noho ny haratsin’ny andro. Noho ny fanavotana nataon’ity mpitandro filaminana ity ireo olona niisa dimy niray lakana taminy no namoizany ny ainy.
Eric Man