Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray eto amin’ny Jirama Toliara, dia tsy hikoso-maso na handefitra intsony amin’ireo mpanjifa mbola tsy nahaloa faktiora vidin-jiro na rano izy ireo. « Hendahina ny kaonterany dia omena mpangataka hafa noho ny tsy fahampian’ny fitaovana amin’izao, nefa ny mpamandrika betsaka mitombo isa isan’andro ». Hanomboka ny « opération fanendahana compteur », hoy ity tompon’andrikitra ity, ka manentana ny mpanjifa ny ao amin’ny Jirama mba samy handoa faktiora vary mangatsiakany, hialana amin’ny fifanomezan-tsiny, satria mbola betsaka ireo mpanjifa tsy nahaloa vidin-jiro sy rano volana janoary sy febroary, noho ny fahasahiranana misy. Nanamafy ity tompon’andraikitra ity fa tamin’ny volana jolay 2012 ny Jirama no nampakatra vidin-jiro sy rano farany. Raha ny eto Toliara dia lafo kokoa ny vidin-jiro raha mitaha amin’ny faritra hafa.
Manitrisa