Nanararaotra ny maizina noho ny tsy fisian-jiro ny lehilahy iray, efa raim-pianakaviana, ka nanao firaisana ara-nofo an-kalamanjana tamina tovovavy mpivarotena iray no tra-tehakana andiana tanora nisotrosotro tao amin’ny « Jardin de la mer » amoron-driaka Toliara, ny alin’ny talata teo, tokony ho tany amin’ny 9 ora tany ho any. Nihorakoraka mafy azy ireo ireto andiana tanora ireto, ka saika tsy tafakanjo sy tafatsangana ireo olon-droa tra-tehaka niezaka nitady fahafinaretana teny amin’ny natiora. Noho ny henatr’olona dia nitsoaka avy hatrany izy ireo.
Ny ao amin’ity « Jardin de la Mr » amoron-driaka ity dia lasa toerana tian’ny mpifankatia aleha sy fampiarahan’ny tanora mpianatra, izay tsy menatra intsony manao fihetsika mamoafady imasom-bahoaka, na dia amin’ny antoandro aza.
Manitrisa