- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Raim-pianakaviana sy tovovavy tratra nanao firaisana ankalaman¬jana

Toliara : Raim-pianakaviana sy tovovavy tratra nanao firaisana ankalaman¬jana

Nanararaotra ny maizina noho ny tsy fisian-jiro ny lehilahy iray, efa raim-pianakaviana, ka nanao firaisana ara-nofo an-kalamanjana  tamina tovovavy mpivarotena iray no tra-tehakana andiana tanora nisotrosotro tao amin’ny « Jardin de la mer » amoron-driaka Toliara, ny alin’ny talata teo, tokony ho tany amin’ny 9 ora tany ho any. Nihorakoraka mafy azy ireo ireto andiana tanora ireto, ka saika tsy tafakanjo sy tafatsangana ireo olon-droa tra-tehaka niezaka nitady fahafinaretana teny amin’ny natiora. Noho ny henatr’olona dia nitsoaka avy hatrany izy ireo.

Ny ao amin’ity « Jardin de la Mr » amoron-driaka ity dia lasa toerana tian’ny mpifankatia aleha sy  fampiarahan’ny tanora mpianatra, izay tsy menatra intsony manao fihetsika mamoafady imasom-bahoaka, na dia amin’ny  antoandro aza.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser