- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Raim-pianakaviana tratram-badiny nampiaraka, raikitra ny ady saritaka nigagam-bahoaka

Toliara : Raim-pianakaviana tratram-badiny nampiaraka, raikitra ny ady saritaka nigagam-bahoaka

Trangam-piaramonina tsy dia fandre firy ary tsy mahazatra ny mason’olona ao Toliara no niseho omaly antoandro, tao amin’ny Fokontany Mahavatse, amin’ny lalana mankany amin’ny seranan-tsambo iny. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 45 taona eo no tratram-badiny ambodiomby nampiaraka tamina tovovavy sahabo 20 taona eo, ity farany izay voalaza fa mpianatra amina sekoly tsy miankina iray ao an-tanànan’ny masoandro. Tsy nisy ny alaharo, fa tonga dia notorahin-dramatoa tompom-bady tamin’ny vato teny an-tanany ny fitaratry ny fiara nisy an’ireto mpifankatia tsy nanampo na inona na inona. Avy eo nosintonin-dramatoa nivoaka ny fiara ilay mpangala-pitia, ka nodarodarohany. Raikitra ny sintom-bolo sy ny fifampitolomana teo amin’ireto mpirafivavy, ka nitangorona avy hatrany ny mpandalo talanjona sy ny olona teo amin’ny manodidina nijery ny zava-misy. Rehefa tsy naharesy tosika an’ity renim-pianakaviana lava ranjanana manodidina ny 30 taona eo ity ilay tovovavy mpangala-badin’olona, dia nitsoaka avy hatrany nanavotra aina niditra elakelantrano, ary tsy hita ny najavonany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici