- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa 50 taona niteraka bibilava, mosavin’olona

Toliara : Ramatoa 50 taona niteraka bibilava, mosavin’olona

BIBILAVATsy mampino ! Renim-pianakaviana iray mananika ny faha-50 taonany, monina any Befanamy, kaominina Miary, distrikan’i Toliara II, no niteraka bibilava nirefy 35 cm, afak’omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any, tao amin’ny fokontany Betania-Ouest Toliara. Raha ny fanazavana azo dia efa ela ity ramatoa ity no narary. Efa nodidiana tany amin’ny hopitaly nefa tsy nety sitrana, ary tsy fantatra nazava ny tena soritr’aretiny. Noheverin’ny dokotera ho voan’ny « goute » ka tsy nahazo nihinana henan’omby, fa henan-kisoa ihany. Namonjy ombiasa avy eo tsy nahitam-bokany.
Mosavin’olona. Ny andro talata io, raha ny voalazan’ity ramatoa ity, dia nanatona mpimasy iray fanta-daza ao Betania-Ouest Toliara ny tenany hiala nenina farany. Novonjeny tao an-tranony ka ity farany no nampiteraka azy tao. Akory ny hatairan’ny rehetra fa bibilava toy ny amalona niendrika trondro lavalava no nivoaka tao an-kibony. Raha ny fanazavan’ilay mpitsabo nentin-drazana ity, nanontaniana, dia mosavy nataon’olona, izay tsy sitrana dokotera, no nahatonga ny aretiny, fa tsy bevohoka izany akory. Nalevina avy hatrany moa ity bibilava hafahafa nateran-dramatoa ity. Vetivety dia niely eran’ny tanàna ny vaovao.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser