- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa 67 taona toran’ny tsipoapoaka

Toliara : Ramatoa 67 taona toran’ny tsipoapoaka

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 67 taona no taitra tampoka ary torana niakarapoka tamin’ny tany noho ny fipoahan’ny tsipoapoaka napoakana ankizilahy maromaro nilalao tamin’io toerana somary malalaka io, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany, tao amin’ny fokontany Tsimenatse Toliara. Raha ny fanazavana voaray dia tsy nanampo na inona na inona ity ramatoabe sendra nandalo teo.Taitra ny olona teo amin’ny manodidina raha nahita an’ity ramatoa nitambositra teny an-dàlana. Ireo ankizy kosa amin’io mbola nihanihany nahita azy nidaboka tamin’ny tany. Nifanome tanana haingana namelona an’ity renim-pianakaviana efa nahazoazo taona ity ny olona, ka avotra soa aman-tsara ny ainy. Tsiahivina fa melohin’ny lalàna ny fanapoahana tsipoapoaka, indrindra amin’ny toerana be olona, na dia amin’ izao ankatoky ny asaramanitry ny fetim-pirenena toy izao, satria betsaka ny tsy mahazaka izany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici