- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa iray bokan-trosa, maty namono tena nitelina poizina

Toliara : Ramatoa iray bokan-trosa, maty namono tena nitelina poizina

Renim-pianakaviana iray 35 taona eo, monina ao amin’ny Fokontany Betsingilo Ditrikan’i Toliara II, no hita faty tao an-tranony, ny alarobia maraina teo. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo olona akaiky azy, dia maty namono tena tamin’ny alalan’ny fitelemana poizina ity ramatoa mpivaro-mandeha bokan-trosa izay nilaozam-badiny namela kamboty mianadahy ity. Rangahy vadiny kosa hatramin’izao, dia tsy mbola hita popoka ny toerana misy azy, ary tsy fantatra na maty na velona rehefa nitsoaka niala ny tranony enim-bolana lasa izay, niaraka tamin’ny vola 2,5 tapitrisa Ariary. Araka ny tati-baovao voaray hatrany, tsy nahaloa intsony ny vola nindraminy niaraka tamim-badiny tamina fampindramam-bola madinika (microfinance) iray tao Toliara ity vehivavy ity, ka noho ny henatra sy ny tahotra ny higadra, dia nisafidy nanapitra ny ainy izy, satria ity renim-pianakaviana irery tamin’ny fahavelony no niezaka sy nilofo mafy nandoa ireo volabe nindramina, kanefa noho ny tsena ratsy vokatry ny fahasahiranana misy,dia tsy manam-bola ny ankamaroan’ny mpanjifa, ka tsy nandeha intsony ny varotr’ity ramatoa ity, ary tsy voaloa tao anatin’ny roa volana ny vola nindramina.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici