Renim-pianakaviana iray 39 taona no maty namono tena, afak’omaly, tany Toliara, ary mbola hita teny an-tànany ihany koa ny sarin-janany faravavy tamin’io fotoana io sy taratasy kely nisy soratra nitantarany ny olan-tokantranony, satria sady mamolava tsy mampiditra vola ao an-trano rangahy vadiny no mbola mampirafy, raha ny hafatra navelany, hoy ny vaovao voaray. Fahantrana sy ny fahoriana mafy no niainan’ity vehivavy ity nandritra ny telo taona. Tsy zakany intsony izany, raha araka ny voasoratra tao amin’ilay taratasy namela hafatra nosoratany, ka nanosika an’ity ramatoa ity nisafidy nanapitra ny androm-piainany any amin’ny varo tsy mifody tamin’ny alàlan’ny fisotroana poizina.
Eric Manitrisa