Noho ny fiparitahan’ny basy, marisarisa ny lafiny fandriampahalemana ao Toliara sy ny manodidina tato ho ato. Omaly tolakandro tamin’ny efatra ora, tao amin’ny fokontany Andamasinina, ramatoa iray mpanamboatra basy no voasambotry ny polisy. Karohina kosa ny vadiny, izay tafatsoaka nandritra ny fotoana nisamborana azy. Taorian’ny fisavana ny trano nataon’ny mpitandro filaminana sy ny avy ao amin’ny fitsarana Toliara, notarihan’ny lehiben’ny fampanoavana, dia basy roa efa vita no sarona niampy vodim-basy sy « canon » maromaro ary taratasy ara-panjakana efa vita fitomboka sy sonia. Basy P.A telo no tratra teo am-panamboarana. « Fanomezam-baovao marim-pototra avy tamina olon-tsotra tsara sitrapo no nahazoana izao vokatra izao. Harifomba ny fitaovana ampiasan’ireto mpanamboatra basy ireto, ary ao anaty lakavy ambanin’ny trano fonenan’ izy ireo ihany, izay toerana mangina, no anaovany izany. Sambany no nisy toy izao teto Toliara », hoy kaomisera Rufin Lebiria nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Eric Man
Toliara : Ramatoa mpanamboatra basy voasambotra
Articles qui pourraient vous intéresser