- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa norasaim-badiny ny antsy teo amin’ny nonony

Toliara : Ramatoa norasaim-badiny ny antsy teo amin’ny nonony

Ny tendrom-po tsy mba namana ary ny fo rano mafana ! Ramatoa iray no naratra norasaim-badiny ny antsy nanandrify ny nonony, ny alahady teo, tany Toliara. Raha ny vaovao voaray, dia resa-bola no fototry ny olana teo amin’izy mivady, satria mampirafy mamelona vadikely maro rangahy, ka ataony ankilabao ny vady aman-janany. Tezitra ramatoa tamin’io andro io, satria tsy nitondra vola nody ity raim-pianakaviana ity. Rafitra ny fifamaliana avy eo. Tsy nahatsindry fo ity mpivaro-kena ity, ka tsy nisalasala naka ny fitaovam-piasany teny am-balahany, ary nanindrona izany tamin’ny vadiny nanadrify ny tratrany. Nahay niala ilay renim-pianakaviana, ka nitsolifatra teo amin’ny nonony ny dian’antsy. Raha ny angom-baovao dia matetika miady lava ireto mpivady ireto, noho ny resa-bola hatrany.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser