- Publicité -
dimanche, novembre 9, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa notondraham-badiny asidra

Toliara : Ramatoa notondraham-badiny asidra

Raikitra ny ady tamin’ireto mpivady, ny alarobia alina teo. Tsy nahatsindry fo nentin-katezerana rangahy, ka naka asidra ary nanondraka izany am-badiny. Nitsovaka may ny vatan-dramatoa (tanàna, tratra sy ambany kibo) ary tsy tafatsangana intsony, ka nentina haingana namonjy tobim-pahasalamana. Raha hiverenana ny tantara, dia miady matetika ireto mpivady, hoy ireo manodidina. Mivavaka amin’ny fiangonana zandriny (sekta) ramatoa, ary matetika alina foana vao tafody ao an-trano, fa mamonjy alim-bavaka. Ny ao an-trano voarara tsy mahazo mihinana, fa mifady hena kisoa (biby maloto hono) miampy sakafo hafa. Nilaza ramatoa avy tany am-piangonany fa misy devoly rangahy vadiny ka tokony hametrahan-tànana. Tezitra tamin’ny famingavingana azy ity farany ka raikitra ny fifamaliana tamin’ireto mpivady. Raha ny vaovao voaray omaly antoandro, dia hitory am-badiny ramatoa tamin’ny herisetra nihatra taminy ary hangataka fisaram-panambadiana eny amin’ny fitsarana. Mampisara-bazana ity resaka finoana ity eto amintsika ary samy tokony hitandrina ny rehetra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici