- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa tratram-badiny nampirafy azy, matim-bono

Toliara : Ramatoa tratram-badiny nampirafy azy, matim-bono

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho, omaly misandratra andro tokony ho tamin’ny 10 ora teo, tamin’ny lalana mihazo Amoron-driaka iny, tao amin’ny Fokontany Tsimenatse III Toliara. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona eo, izay voalaza fa tratram-badiny nampirafy azy no matim-bono. Raha araka ny nambaran’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga, dia hitan-drangahy tompom-bady nifampisakambina nisera fitia tamina lehilahy iray teny ambony posy nandehanany ramatoa vadiny. Ity farany moa izay voalaza fa handeha hiantsena ao Bazaribe tamin’io fotoana io. Tezitra mafy ity raim-pianakaviana ity ka nenjehiny ilay posy, ary rehefa tratrany dia nodarodarohany tsy nananany antra avy hatrany teo imasom-bahoaka ity andefomandriny, ka nivoa-drà an-korona sy nividana tarehy. Raha vao nahita ny zava-miseho ilay lehilahy voatondro fa sakaizan-dramatoa niaraka posy taminy, tonga dia nitsoaka avy hatrany, raha ny voalazan’ireo olona nanatri-maso hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici