- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa tratran’ny sinto-mahery, lasa ny vola 150 000 Ariary

Toliara : Ramatoa tratran’ny sinto-mahery, lasa ny vola 150 000 Ariary

Amin’izao ankatoky ny fety izao, dia nahazo laka indray tato ho ato ny asa fanendahana sy sinto-mahery ao Toliara. Omaly naraina, ramatoa iray handeha hiantsena tao bazary Sakama no lasibatry ny totakely, ka lasan’ny mpanendaka tamin’izany ny lelavola dimy alina sy iray hetsy ariary. Raha ny fanazavana azo dia nitankisina teo akaikin’ilay ramatoa niharam-boina toy ny mpiantsena rehetra ny jiolahy nisisika niditra ny vavahadin’ny tsena. Rehefa variana ilay renim-pianakaviana dia nosokafan’ ilay totakely moramora ny poketrany. Nisy nahita ny asa ratsy ka raha iny handeha hitsoaka iny ity tovolahy no velona ny “hazolava”. Ilay ramatoa voaroba izay tsy nanampo na inona na inona kosa tamin’io toa tratran’ny fandrekerekena nivanaka tsy afa-nihetsika. Raikitra ny antso vonjy ka nifanenjehana ity mpanendaka. Tratra ny anao lahy, ka rehefa nosavaina, dia tsy tany aminy intsony ny vola, fa efa nampitainy tany amin’ny namany. Na dia nofotorana mafy aza ity tovolahy mpanedaka manodidina ny 20 taona tratra ity, dia tsy nety nanoro ny toerana misy ilay namany, fa niaritra irery teo ny vono sy daroka isan-karazany nihatra taminy noho ny hatezeram-bahoaka ka nihosin-drà.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici