Jiolahy dimy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao an-tampon-tanànan’i Toliara sy ny manodidina no azo sambo-belona, raha roa hafa maty tsy tra-drano voatifitry polisy, nandritra ny fifadonana omaly naraina tokony ho tamin’ny dimy ora, tao Andabizy Toliara. Nahatratrarana basy vita gasy, fitaovana entina mamaky trano, ody gasy sy bala feno fasika ny lohany tamin’ireo jiolahy namoy ny ainy.
« Bande des 7 ». « Taorian’ny nahatratraranay ny jiolahy iray, afak’omaly hariva tamin’ny 4 ora sy sasany, tao Scama Toliara, izay ati-doha tamin’ny fanafihana mitam-basy nahaverezana vola 10 tapitrisa ariary sy naharatrana olona iray, tao Ampasikibo Toliara, ny alin’ny asabotsy 11 oktobra hifoha ny alahady, no niaingan’ny fikarohana, satria fantatry ny voatafika ity lehiben-jiolahy ity. Avy eo izy nanoro ny namany rehefa nofotorana, ka raikitra ny fisamborana, nefa tsy nanaiky mora ireto « bandes de 7 » fa nitifitra, ka voatery niaro tena sy namaly tifitra izahay », hoy ny « Officier principal de police », Rtoa Sosohay Asthene, lefitry ny « commissaire central » Toliara.
Dahalo miakatra « ville ». Marihina fa dahalo avy any Bezaha distrikan’i Betioky Atsimo sy Beompy Toliara II ireto andian-jiolahy tanora sarona ireto, ary efa nalaza ratsy hatramin’izay. Nitsoaka ny « opération coup d’arrêt » any ambanivolo izy ireo, ka miakatra an-tanan-dehibe, manohy ny asa ratsiny. Rava indray ny « bandes de 7 », raha mbola karohina fatratra amin’izao ny « bandes de 5 », mpanao fanafihana mitam-basy mampikolay vahoaka.
Manitrisa