Mihabiby ny olona sasany amin’izao. Vehivavy iray 53 taona, tratra alim-be voalaza fa avy niari-tory nandeha posy handeha hody no voaolana, omaly naraim-be tany Toliara, tokony ho tany amin’ny roa ora tany ho any. Izy niantso vonjy sy nitabataba toa nidelira noheverin’olona fa adala, na mamo, no nanaitra ny mponina manodidina tao amin’ny fokontany Tsimenatse-Ouest tamin’ny torimasony. Noho ny tahotra, betsaka ny olona nandre no tsy nivoaka ny tranony, satria fomba fiadin’ny jiolahy amin’izao no mody miantso vonjy, nefa mandroba avy eo. Nony maraina ny andro vao nifanontany ny rehetra teo an-tanàna. Teo vao fantatra fa voaolana ity ramatoa ity.
Marary saina. Raha ny vaovao voaray dia ilay mpitondra posy nitondra azy handeha hody ihany no voalaza fa nanolana ary nampihatra ny habibiany tamin’ity renim-pianakaviana ity. Ankoatra ny fametavetana azy dia mbola niharan’ny vono ihany koa izy, satria nahitana mangana teo amin’ny sandriny sy ny tarehany. Rovitra ny ankajony, nahitana ranon’aina ny tako-kenany. Raha ny voalazan’ireo olona mahafantatra azy tsy dia salama saina loatra sady mamolava ity ramatoa voaolana ity, ary fombany ny mandehandeha alina rehefa mihetsika ny aretiny.
Eric Man