- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Resaka hetra, nikatona avokoa fivarotana karana omaly

Toliara : Resaka hetra, nikatona avokoa fivarotana karana omaly

Omaly, nanaitra ny zavanisy tany Toliara, nikatona avokoa tsy nisy nisokatra na dia iray aza ireo magazay sy toeram-pivarotana karana hatramin’ny trano fandraisam-bahiny. Vetivety dia niely ny tsaho eran’ny tanàna ary niroaroa saina ny mpanjifa sy ireo mpividy entana. Nisy andian’olona ihany koa moa nivorivory teo Bazaribe ka nanampy trotraka ny radio voatavo nampikorontan-tsaina ny vahoaka.

Niely ny tsaho. Nisy mihitsy ny nilaza fa misy OPK (Opération Karana) hono ka samy nifitsaka ireo teratany « Indo-pakistanais » ireto. Tamin’ny angom-baovao anefa no nahalalana fa resaka hetra no nampikaton-trano an’ireto karana ireto. Amin’izao tokoa mantsy dia misy ny fitakian-ketra ataon’ny fanjakana  ka ankevitry niray hina ireto mpivarotra sy mpandraharaha ireto ka nanakatom-baravarana. Etsy andaniny ireo mpanjifa hividy entana tsy nahalala nimenomenona niveri-maina.

Nanoloana ny resabe inian’ny sasany naely ao an-tampon-tanànan’i Toliara dia nanatona ny tomponandraikitra ao amin’ny sampan-draharahan’ny hetra izahay. Nilaza ity tomponandraikitra ity fa fomba mahazatra hatramin’izay ny fitakian-ketra fa zareo angamba te-hampiseho hery amin’ny vahoaka dia nanidy trano. « Tsy eto Toliara ihany no misy hetsika hetra toy izao fa manerana ny Nosy, ka tsy tokony hanaovana fahirano ny vahoaka ». Somary nanaitra ny mpandeha sy mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena fahafito efa ho roa andro izay, dia misy fisavana ny entana entin’ireo fiara manodidina an’ity resaka hetra ity ihany.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser