- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara - RN7 : Taksiborosy nivadika, mpandeha iray maty tsy tra-drano

Toliara – RN7 : Taksiborosy nivadika, mpandeha iray maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray, tamin’ny RN7 iny, ny antoandron’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 12 ora. « Sprinter » iray manao zotra rezionaly niainga tao Toliara hihazo an’ Ilakaka no tra-doza teny an-dàlana, tao Andatabo (10 km miala ny tanànan’i Toliara), ka lehilahy mpandeha iray; izay olona avy any Ilakaka no maty tsy tra-drano, ary am-polony kosa ireo naratra. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso ny loza, dia voantsindry tamin’ny sisiny no nahafaty an’ity raim-pianakaviana ity. Raha ny fanazavana azo hatrany, niala bisikileta nitondra « charbon » izay nisosososo avy any ambony ity taksiborosy nandeha mafy tao anaty fiolahana, ka tsy nahatana ny familiana ny fiara nentiny intsony ny mpamily, ary nivarina tany anaty tatatra ilay fiara. Manoloana ny firimorimon’ny bisikileta tsy misy « frein » mitondra entam-be amin’ny fidinana an’Andatabo iny, izay mampitaraina ny maro sy mitera-doza matetika, dia tokony mba handraisana  fepetra hentitra amin’izay, satria tsy vitan’ny manome loza ny tenany ireo mpitaingina bisikileta mandeha mafy ampivoan’arabe, fa mbola miteraka loza ho an’ny hafa ihany koa. « Tsy vao sambany ny trangan-javatra toy izao, ka manaitra ny tompon’andraikitra mahefa izahay », hoy ny avy ao amin’ny Fikambanan’ny mpamily sy mpitondra môtô, nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici