Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tamin’ny RN9, afak’omaly naraina, tokony tamin’ny valo ora, tao Tsigoritelo, 13 km miala ny tampon-tanànan’i Toliara, teo anelanelan’ny tanànan’i Belalanda sy Mangily. Roalahy voalaza fa mamo nanao taingin-droa tamin’ny moto nandeha mafy no nianjera tao anaty fidinana sady fiolanana, ka niara-tapa-tongotra sy vaky loha ary safotra tsy nahatsiaro tena. Fiara sendra nandalo nahita ny loza no namonjy haingana ny niharam-boina, izay manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara ankehitriny. Araka ny fanazavana azo, dia tapaka ny fe roan’ ilay raim-pianakaviana 35 taona nitondra ny moto, raha tapaka tarangana nipitsika, ary mbola tsy hita kosa hatramin’izao ny tongotra havian’ilay tovolahy 30 taona nentina tao aoriana. Noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia mbola miady mafy amin’ny fahafatesana ireto roalahy tra-doza naratra mafy vita fadidiana, raha ny tati-baovao azo farany.
Eric Manitrisa