- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Roa lahy nanafika mpiantsena, olana iray maty

Toliara : Roa lahy nanafika mpiantsena, olana iray maty

Tany Andranovory Toliara, ny alarobia lasa teo tany ho any amin’ny telo ora hariva, no nisy ireto dahalo roa nanao fanamiana miaramila nitondra Kalachnikov,nanakana ity mazda iray nitondra mpiantsena. Avy namonjy tsena tany Vineta moa ireto olona ireto no tojo ny fanafihana. Iny nandeha moramora hijanona iny tokoa mantsy ny fiara no avy hatrany dia notifirin’ireto jiolahy tamin’ny basy, voa teo amin’ny tendany ity mpamily ka avy hatrany dia nilofika ,mpandeha iray tao anaty fiara kosa no naratra teo amin’ny tongony ka avy hatrany dia nentina teny amin’ny hopitaly any Toliara hanaraka fitsaboana. Tsy nisy nahetsika ny rehetra teo anoloan’izany koa dia nanao izay tiany natao ireo mpandroba. Lasany ny vola rehetra, ny entana maro. Rehefa izany dia niala ny toerana moramora izy ireo. Efa ela taty aoriana vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo voatafika.

Tonga teny an-toerana moa ny borigadin’ny zandary nanao ny fizahana ifotony ka mbola hita teny ihany koa ny vodim-bala iray 7,62mm ary eo am-panaovana ny fanadihadiana amin’izay zavatra very sy ny olona mety ho nanao izao fanafihana izao.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser