Tao anatin’ny herinandro dia nisesisesy nanao tohy vakana ny vaky trano sy ny fandrobana tamin’ireo toeram-pandraisam-bahiny ao Anakao Distrikan’i Toliara II. Manoloana ny firongatry ny asa ratsy, dia niray hina nanamafy ny fiambenana sy nifampita vaovao hatrany ireo mpitantana hotely any amin’ity toeram-pitsangantsanganana mahasarika vahiny mpizahatany maro izay misy tora-pasika tsara sy vorona miavaka tsy fahita maneran-tany hafa tsy ao Nosy Ve. Omaly, jiolahy roa nifanenjehana izay avy nandroba tamina hotely lehibe malaza iray tao Anakao, no voasambotry ny Fokonolona tany Soalary. Rehefa nofotorana lalina ireto roa lahy izay nilaza fa avy any Fianarantsoa, fa manao asan-jiolahy mitam-piadiana amin’ny tapany atsimon i Toliara iny, dia tsy nety nanondro mihitsy ireo namany sy ny toerana nanitrihan’izy ireo ny entana nangalariny. Tezitra ny olona ka raikitra ny vono sy daroka nentina nanafaizana an’ireto mpangalatra mafy vava. Ary nisy ampahan’olona sasany teo an-tanàna no efa nandrehitra afon-kitay teny amoron-dranomasina sy naka kodiarana ary vantan-kazo, saika handorana velona ireto olon-dratsy, kanefa nandrara izany fihetsika mamoafady izany ny Raiamandreny olombe teo an-tanàna. Taorian’izay dia natolotra ny mpitandro filaminana ireto jiolahy sarona izay efa rapan’ny vono tanteraka, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa