Jiolahy roa mitam-basy saika handroba tamina tranon’olona tamin’ny telo naraina, omaly, tao amin’ny fokontany Tsianaloka Toliara no nifanehatra tamin’ny andrimasom-pokonolona “Jado” nanao fisafoana amin’ny alina ka noraisim-potsiny ary natolotra ny mpitandro filaminana. Anisany mampirongatra ny asa ratsy eto Toliara ary olana ny tsy fandraisan’ny filohan’ny fokontany andraikitra. Raha ny loharanom-baovao dia misy ny sasany amin’izy ireo miray tendro amin’ny jiolahy ka raha antsoina any amin’ny fitsarana na polisy sy zandary dia tsy mipoitra na dia hita izao fa mpanao fanafihana mitam-piadiana ilay voarohirohy.
Eric Manitrisa