- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Roalahy nangalatra môtô sy vola 6 hetsy ariary, matim-bono sy...

Toliara : Roalahy nangalatra môtô sy vola 6 hetsy ariary, matim-bono sy torana niharan’ny hatezeram-bahoaka

Roalahy vao herotrerony no saika matin’ny fitsaram-bahoaka tany Toliara, ny 2 aprily lasa teo, izay tra-tehaka niaraka tamin’ny môtô nangalariny sy lelavola enina hetsy ariary. Araka ny vaovao voaray, dia notontan’ny olona tamin’ny vato be ny iray tamin’ireo jiolahy ka goaka maso sady torana tsy nahatsiaro tena. Vaky loha voavely vatan-kazo kosa ny jiolahy faharoa voasambotra raha saika handositra. Samy nivoa-drà ny sofina sy ny orona izy ireo ary raparapa mihitsy ny tarehy ka nalemy tsy afa-nitsangana intsony.
Mpiasa tao an-trano. Raha ny fanazavana azo, dia mpiasa ao an-tranon’ny voaroba ihany i F. iray tamin’ireo jiolahy. Nanararaotra ny tsy naha tao an-trano ny tompon-trano izay namonjy lanonana izy ny asabotsy io, ka nanararaotra nanao ny asa ratsiny. Novakian’ity tovolahy 22 taona ity ny fitoeram-bolan’ny mpampiasa azy nakany ny vola 6 hetsy ariary tao, avy eo izy niantso an’i A. tovolahy 19 taona nokaramainy efatra alina ariary hanosika ilay môtô (tsy nisy fanalahidy tsy nety velona) avy nangalariny.

Saika hatao “pieces detachés”. Voalaza araka ny vaovao azo hatrany, fa saika hafenina amina trano iray ao Mahavatse ity môtô ity, ary saika horavaina hatao “pieces detachés” ihany koa hitadiavana mpividy, kanefa teny an-dàlana no nifanehitra tampoka tamin’ny zanaky ny tompon-trano; izay gaga nahita ny fananan’izy ireo natosika haingana nentina nitsoaka. Rehefa nofotorana i A. , dia nibaboka ary nanondro an’i F. izay saika hitsoaka nefa tratran’ny fokonolona teo an-tanàna ka niharan’ny hatezeram-bahoaka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici