- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Rongony 25kg saron’ny polisy, tovolahy iray voasambotra

Toliara : Rongony 25kg saron’ny polisy, tovolahy iray voasambotra

Tovolahy iray 23 taona mpanao bizina rongony ao Toliara no saron’ny polisy nanao fisafoana amin’ny alina, ny alatsinainy teo, tamin’ny 11 ora alina. Nampiahiahy ny mpitandro filaimnana ny fihetsiny ka nosavaina ny sakaosy lehibe nentiny ary rongony nilanja 10 kg mahery no hita tao. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Razafindranony Honoré, komandà FIP Toliara, dia avy any Itampolo, distrikan’ Ampanihy, ity tovolahy tra-tehaka ity,  ary efa misy olona mandray ny entana (rongony) ao Toliara.
Rongony ambony kalitao. Fa ny talata 13 oktobra teo kosa dia rongony milanja 15 kg, saika halefa taksiborosy ho aty an-drenivohitra, no tra-tehaka tao amin’ny “stationnement” Sanfily Toliara. Mahana ny mpamily raha nahita gony namoaka fofona hafahafa natao “colis” ka tsy nety nitondra ilay entana ary niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana ny kaoperativa. Rehefa nosavaina ilay gony dia nahitana “sachet plastique” telo lehibe feno rongony amin’ny kalitao ambony, fantatry ny mpidoroka amin’ny hoe : “Espece” no tao. Raha ny fanamarinam-baovaon’ny polisy hatrany dia efa misy olona miandry haka ny entana etsy amin’ny fasan’ny karàna.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici