Tovolahy iray nitondra sarety vao maraina handeha hivarotra saribao no saron’ny polisy mpanao fisafoana amin’ny alina, nitondra rongony telo gony nafenina tao ambany gonin-tsaribao nentiny, tao amin’ny ala kininina mivoaka ny tanin’i FOFIFA Maninday Toliara, ny talata naraina teo, tamin’ny efatra ora. Nahamahina ny mpitandro filaminana ny fihetsik’ity tovolahy ity ka nosavaina ny entany, ary traingo tao ireto zava-mahadomelina. Tsy mety manoro ny olona tompon’ny rongony na ny mpiray tsikombakomba aminy ity mpitondra sarety voasambotra tratra nitondra jamala ity, na dia nosokirina mafy aza, hoy ny polisy misahana ny famotorana azy. Miparitaka ny rongony amin’izao, ary amidy toy ny anana sy vatomamy eny rehetra eny. Roboka hatramin’ny ankizy tsy ampy taona midoroka.
Eric Man