- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Rongony 300 kg sarona tao anaty taksiborosy

Toliara : Rongony 300 kg sarona tao anaty taksiborosy

Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ olona tsara sitrapo nanome vaovao ny mpitandro filaminana, rongony 300 kg nafatratra tanaty valizy sy sakaosy enina no tra-tehaky ny polisy, tao Sanfily Toliara, ny alahady teo, ka olona roa no voasambotra tamin’ity bizina maoly avo lenta ity; izay tazonina hanaovana fanadihadiana amin’izao, ka mpamily taksiborosy ny iray, ary nongiazana ihany koa ilay fiara nahatratrarana an’ireto rongony ireto. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Rufin Lebiria, dia saika halefa taksiborosy ho any Morondava ireto zava-mahadomelina ireto, izao sarona izao. Mbola karohina kosa ny tena tompon’ny entana. Nanentana hatrany ny rehetra ity manamboninahitra ambonin’ny polisy ity, mba hanome vaovao tsy tapaka ny mpitandro ny filaminana hahamora ny fisamborana sy famongorana ireo jiolahy sy mpanao ratsy.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser