Nisy trangana fanafihana-jiolahy mitam-piadiana indray tao Toliara, ny harivan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny enina ora. Jiolahy dimy mitam-basy tsy nisaron-tava no nanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Antaninarenina. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny lelavola 3 tapitrisa ariary niampy volamena mitentim-bidy iray tapitrisa sy efatra hetsy ariary ary ny finday rehetra tao amin’ity tokantrano ity. Naratra voatifitra nandritra ny fifanandrinana tamin’ireo jiolahy ny mpiambina tanàna iray; izay sahy nanohitra sy niady tamin’ireo olon-dratsy tety ivelany, avy eo niditra am-boletra tao an-trano ny efatra tamin’ireo jiolahy, ka nandroba. Tsy afa-po tamin’ireo volabe sy entana sarobidy nangalariny ireto fahavalom-bahoaka ireto fa mbola nidaroka izay hitany, ka ramatoa iray fianakavian’ny tompon-trano no naratra, hoy ny fanazavan’ny niharam-boina. Raha ny zava-misy ao Toliara tato ho ato, dia efa manana loharanom-baovao mazava mikasika ny fianakaviana voatafika sy hotafihany ireo jiolahy ary efa mahay ny anaran’ny tompon-trano mitam-bola.
Manitrisa
Toliara : Sady mandroba no midaroka ny jiolahy
Articles qui pourraient vous intéresser