Mpianaka, zazalahy enina taona sy ny reniny nihinana sakafo nisy poizina no miady mafy amin’ny fahafatesana amin’izao, amina toeram-pitsaboana iray ao Toliara. Araka ny vaovao voaray, dia nihinana « composé » nisy « mayonnaise », sakafo entina mandehandeha ireny teny amoron-dàlana, izy mianaka ireto, ny marain’ny alatsinainy teo. Minitra vitsy taorian’io, nihoaka nandoa izy ireo , avy eo safotra ilay zaza, raha nalemilemy tsy tafatsangana kosa ny reniny, ka tsy maintsy nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Maso mahita ao Toliara ao, matetika tsy misarona ny sakafo amidy. Misy ny efa lany andro sy daty. Roboka ny olona satria mora vidy. Ny natao hampahamandina ny tenda ity no mitady hanafaka ny aina !
Eric Man