Mora miakatr’afo sy mitsabobotra ny olona sasany tsy mahatanty krizim-piainana amin’izao. Mpianatra roa nifamono nandritra ny fijerena valina « Bacc » tao Toliara omaly naraina. Raikitra ny sakoroka tao anaty fifanosehana. Tsy nahazaka taim-bava ny iray ka raikitra ny rombo. Voatoto vato teo amin’ny lohany ny tovolahy iray ka niboba ny ra. Velona ny horakoraka avy eo ary saika rafitra niafara tamina ny adina andiana mpianatra maromaro ny raharaha, raha tsy nalaky voalamina haingana.
Nivaly omaly naraina tamin’ny 4 ora ny fanadinana bakalorea tao Toliara, rehefa nandrasana andro maromaro. Nahatratra 27,77% ny taham-pahafahana. Ratsy be ny vokatra tamin’ity taona ity raha nitaha tamin’ny taon-dasa (43,04%). ny vokatra Izany hoe : nihena be 15,27% be izao. Raha vao nandre ny vaovao ny olona fa nivoaka ny lisitr’ireo afaka « bacc » dia nibosesika nijery ny valim-panadinana ny rehetra. Niafara tamin’ny fifanosehana izany.
Eric Manitrisa