Lehilahy sarim-bavy iray sahabo ho 25 taona, malaza ratsy eo an-tanana faingan-tànana sy mpisoloky no naratra mafy nivindana vava sy nivonto teta-maso rapa tarehy voadaroka.Tratra nangalatra finday avolenta mitentim-bidy roa tapitrisa ariary tamina tokantrano iray tao amin’ny fokontany Tsimenatse Toliara, afak’omaly tolakandro. Raha ny fanazavana azo dia niditra tampoka tao an-tranon’olona ity pelaka ity, izay nilaza rehefa nofotorana fa hitady ilay mpiasa an-trano tao hono !
Nifanenjehana eran’ny tanàna. Hitany « mi-charge » teo ambony latabatra tsy lavitra ny varavaravambe fidirana ilay finday avolenta, ka tonga dia nalainy. Naneno nisy niantso tampoka anefa io telefaona io. Tonga ny tompony tao amin’ny efitra ambadika saika handray ny antso ary taitra nahita an’ ilay sarim-bavy nitsoaka niaraka tamin’ny findainy. Raikitra ny hazolava (antso vonjy). Nifanenjehana eran’ny tanàna, ka voasambotra ilay mpangalatra.
Gadra lava. « Raikitra ny daroka sy vono, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibe raha nisy kely », hoy ireo mpiara-monina leom-boan’anana amin’ny asa ratsiny nanatri-maso. Raha ny fanazavana azo, dia isaky ny sarona amin’ny asa ratsiny ity sarim-bavy antsoina hoe : T. ity dia mifona hatrany, ary mamerin-keloka avy eo tsy mety fay, na dia efa nigadra noho ny fisolokiana sy halatra aza ny tenany.
Eric Man