- Publicité -
lundi, novembre 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Sarim-bavy voaendaka, silipo sisa nentina nody

Toliara : Sarim-bavy voaendaka, silipo sisa nentina nody

Lehilahy pelaka iray manodidina ny 30 taona mamo, no hitan’ny olona vao maraim-be, omaly tamin’ny 5 ora sy sasany, amin’ny làlana mihazo ny « port Toliara » fokontany Tsimenatse III (Champ de foire), silipo sisa teny an-kodiny. Namototra sy nanadihady azy avy hatrany ireto olona maromaro nihazakazaka sy nanao fanatanjahantena vao maraina. Raha ny fanazavan’ilay sarim-bavy sady mbola raiki-delan’ny toaka, fa nisy telolahy nanendaka azy, raha handeha hody izy. Tratran’ny be noho ny vitsy  ka tsy afa-nanohitra. Raha ny nambarany dia lasan’ireo mpanendaka ny volany 15 000 ariary (vidin’entana nisasarana nandritra ny alina), niampy finday iray ary hatramin’ny akanjo teny an-kodiny, ka tsy nisy afa-tsy takon-kenatra sisa nentin’ilay sarim-bavy nody, navelan’ireto mpanendaka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici